Kolontsaina malagasy

Hiragasy

Ny kolontsaina malagasy dia kolontsain' ny vahoaka malagasy izay isan-karazany noho ny fisian' ny foko samihafa ao aminy sady ahitana taratra ny andiam-pifindrà-monina nifanesy avy any ivelany nankaty Madagasikara, indrindra ny avy any Azia Atsimo-Atsinanana sy Afrika Atsinanana. Izany kolontsaina izany koa dia ahitana singa avy any Azia Andrefana sy avy any Eorôpa. Anisany mandradfitra ny kolontsaina malagasy ny fiteniny izay miseho amin' ny endrika fitenim-paritra maro, ny finoana sy ny fivavahany, na nentim-paharazana izany na nampidirina teto, ny zavakantony, ary ny fomba amam-panaony.


From Wikipedia, the free encyclopedia · View on Wikipedia

Developed by Tubidy